Flash
Préc Suiv

Fifamoivoizana : narahi-maso ireo sarety mpitatitra ranontany

Fifamoivoizana  : narahi-maso ireo sarety mpitatitra ranontany

Ahitana  gaboraraka ny eo amin’ny fifamoivoizana ny fivezivezen’ny sarety sy ny posiposy. Mila handraisana fepetra izy ireny hialana amin’ny fitohanana aterany sy ny bontolo ataon’ny mpitondra azy.

Nosakanana ary nalefa teny amin’ny toerana fihibohana eny Anosipatrana avokoa ireo sarety sy posiposy tsy manara-dalàna teny amin’ny faritra Ankasina, Ankazomanga, Petite Vitesse, Anosibe nanomboka tamin’ity herinandro ity.

Ireo sarety mivezivezy amin’ny ora tsy voatokana amin’izany sy ireo mpitatitra ranontany no tena lasibatra tamin’ity hetsika ity. Tanjona ny fandaminana ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra ary eo ihany koa ny fanaraha-maso ireo mpanototra tany tsy nahazo alalana.
Nanatanteraka ny hetsika teny an-toerana ny polisy monisipaly sy ny departemanta misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena an-dRenivohitra ary hentitra izy ireo tamin’ny fanatanterahana ny asa.

Enina ireo sarety mpitatitra ranontany tsy maintsy naiditra toerana fihibohana tamin’ny alatsinainy teo. Tsara marihina fa tsy maintsy ilaina ny fahazoan-dàlana manokana avy amin’ny fari-piadidian’ny tanànan’Antananarivo vao afaka mitatitra ranon-tany.
Nanambara ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny kaominina fa efa misy ny fanaraha-maso akaiky ho an’ireo mpitatitra sarety eto an-dRenivohitra indrindra ireo sarety sy posiposy mpitatitra ranontany tsy manana fahazoan-dalana. Tsy mijanona hatreo ny hetsika fa mbola hitohy hatrany.

Nankasitraka ny fandraisan’andraikitra hatao amin’ny gaboraraka ataon’ny mpitatitra sarety ireo mpampiasa lalana eto Antananarivo. Tsy tokony handalo ihany anefa ny hetsika fa mila maharitra mba hisian’ny fahombiazana sy fitaizan-tsaina.

Anisan’ny fitaterana tsy manara-dalàna ny posiposy sy sarety. Mandeha amin’ny lalana tsy tokony haleha ary miteraka fitohanan’ny fiara. Tsikaritra ihany koa ireo ankizy tsy ampy taona mikiry manao ireny asa ireny ka tsy misy mandrara vokatry ny gaboraraka eto amin’ny tanànan’Antananarivo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.