Flash
Préc Suiv

Fampiofanana “Rel” : malalaka ny fampiasana antontan-kevitra nomerika

Fampiofanana “Rel”  : malalaka ny fampiasana antontan-kevitra nomerika

Manaraka fiofanana mahakasika ny karazana fitaovana enti-mampianatra, fitaovana ianarana azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra ampiasaina malalaka, azony ampiana azo analana (Rel) ireo mpampianatra miisa 49 eto an-drenivohitra. Nanomboka ny zoma lasa teo ny fiofanana izay mizara telo. Voalohany ny fampahafantarana ny Rel, manaraka izany ny famelabelarana mahakasika ny tranomboky nomerika ary ny famolavolana tahirin-kevitra ataon’ireo mpampianatra hahafahan’ny tsirairay mitrandraka izany ao anatin’ny tranomboky nomerika.

Azon’ny mpampianatra ampiasaina malalaka fa tsy voafehin’ny mpanoratra na mpamorona ireo fitaovana ireo. Afaka mampiasa izany avokoa ireo kilasy rehetra. Ezahina hofenoina kosa anefa izany ho an’ireo kilasy miatrika fanadinam-panjakana.

Mety ho sary na sarimihetsika na raki-kevitra izany fitaovana ampiasaina izany ary apetraka amin’ireo tranomboky nomerika. Aparitaka amin’ny tranonkala ihany koa izany fitaovana enti-mampianatra izany.

Efa nanomboka tamin’ny 2015 ny famolavolana saingy nasiana fanatsarana sy natao izay nampalalaka ny fampiasana azy.

Efa betsaka ireo sekoly sekoly mampiasa ny tranomboky nomerika manerana ny Nosy ary miha mivoatra ny fampianarana. Afaka mitrandraka fahalalana sy antontan-kevitra any anatin’ireny fitaovana ireny na ny mpianatra na ny mpampianatra hahafahany mivelatra.

Marihina fa tena ilana fampiasana solosaina ity fiofanana ity ka solosaina avy ao amin’ny minisitera foibe no ampiasaina amin’izany.

Manitsy hatrany ny vaovao niniana naely mikasika ny fisiana famoahana entana antsokosoko tao amin’ny minisitera araka izany ny tompon’andraikitra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.