Flash
Préc Suiv

CNIDH : « misy mitady hampangina ny “Raharaha Antsakabary” »

 Herintaona mahery, tsy misy tohiny  intsony. “Manaraka akaiky ny « Raharaha Antsakabary » izahay. Manjavozavo tanteraka anefa izany ary misy mikendry azy iny ho vitavita azy  fotsiny”, hoy ny avy amin’ny  CNIDH,  Rabenoro Mireille, omaly tetsy 67 ha. Nanteriny fa marobe ny tsy fanajana  zon’olombelona, miainga amin’ny fitarainana voarain’izy ireo. Novakin’ny CNIDH bantsilana ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ataon’ireo olom-pahefana any ifotony. Eo ny fanenjehana mpampianatra any amin’ny CEG Ambodimanga, Maroantsetra. Nanangana orinasa kely fitaterana amin’ny lakana izy io  ary andoavan’ny mponina 500  Ar.  Ny ben’ny Tanàna koa anefa  mampanofa lakana hitaterana eo, saingy 1 000 Ar isan’olona. Norahonan’ny ben’ny Tanàna ilay mpampianatra nanampy vahoaka ny amin’ny tokony hanajanonana ny fitaterana lakana. Nampidirina am-ponja satria nambara fa nikomy sy nitarika olona nanafika  ny tobin’ny zandary… Tsy voamarina avokoa anefa ny fiampangana natao.

Enjehin’ny manampahefana ireo miaro ny  vahoaka…

 Etsy andaniny, notakonana amin’ny filazana  fa fidiram-bolan’ny kaominina izany lakan’ny ben’ny Tanàna  izany, saingy tsy hita ny tamberim-bidy ho an’ny vahoaka.

Manampy  ireo ny nanjo an-dRaleva na i Ranjoany tao Vohilava Mananjary,  niharan’ny tsindry hazolena. Niaro ny tanànan’i Vohilava  tamin’ny fitrandrahana volamena tsy ara-drariny nataon’ny Sinoa. Takin’ny CNIDH ny fanafoanana ny sazin-dRaleva sy ny fanafoanana ny fanamelohana azy. Nohamafisin-dRabenoro Mireille fa tena enjehin’ny manampahefana ireo olona miaro ny tombontsoa ho an’ny vahoaka.

Synèse  R. 

Les commentaires sont fermées.