Flash
Préc Suiv

Cemes Antanimora : hafanain’i Tence Mena ny hetsiky ny Tapakila

Cemes Antanimora  : hafanain’i Tence Mena ny hetsiky ny Tapakila

Tolotra vaovao! Hifanaraka amin’ny hairahan’ny fifandraisana sy ny tambanjitra ny fomba hahazoana manjifa ny tapakila fidirana amin’ireny seho an-tsehatra ireny. Hisy ny fampahafantarana izany miaraka amina lanonana…

Hotanterahina, ny zoma alina izao eny amin’ny Cemes Antanimora, ny lanonana fampahafantarana bebe kokoa ny Tapakila, mampiroborobo ny fivarotana tapakila amin’ireny fampisehoana sy hetsika samihafa ireny, ao anatin’ny Internet (tambajotra sosialy “facebook”, “Messenger” …).

Ankoatra ny fanentanana sy ny fampahalalana ny tolotra avy amin’ity sehatr’asa vaovao, efa manomboka miroborobo, ity, manomana korana miavaka ihany koa ny mpikarakara. Nasaina hanafana izany i Tence Mena, mpanakanto anisan’ireo “henjana” eo amin’ny sehatry ny mozika mafana eto amin’ny tanàna.

Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Tapakila, hizara roa ny fotoana amin’io alina io. Mandritra ny tapany voalohany, hanafana ny sehatra amin’ireo hirany efa manana ny lazany, toa ny « Sitrany sôlô», ny «Miaramila», ny «Ex» sy ny marohafa i Tence Mena. Hotohizana amin’ny alim-pandihizana, hiarahana amin’ny DJ, kosa ny fotoana amin’ny tapany faharoa.

Miankina amin’ny hetahetan’ny mpanotrona ny famaranana ny fety. Marihina fa miandraikitra manokana ny fanamboarana sy ny fivarotana tapakila amin’ny endriny vaovao, tsy mbola nisy nanao teto Madagasikara, ny Tapakila. Hetsika voalohany karakarainy io amin’ny zoma alina io. Efa maro kosa ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana niara-niasa tamin-dry zareo, toa an i Shyn sy i Samoela.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.