Flash
Préc Suiv

Anisan’ny lisitra telo ho PM Razanamahasoa Christine

Anisan’ny lisitra telo ho PM Razanamahasoa Christine

 Efa vonona ny anarana telo hotendren’ny filoham-pirenena ho  lehiben’ny governemanta sy  ho praiminisitra, miainga avy amin’ny Mapar.  Anisan’ny mitarika ny lisitra ny  depioten’Ambatofinandrahana,  Razanamahasoa Christine. Mety ho vehivavy  izany ny praiminisitra  ary mpahay lalàna koa, manomboka  eto indray.   Anisan’ny mpikambana mavitrika eo anivon’ny depiote ho an’ny  fanovana.  Tsy mbola  fantatra kosa anefa ary mbola  manjavozavo ny anarana roa hafa, hisafidian’ny filoham-pirenena ary mbola avy amin’ny Mapar ihany.

Anisan’ny mason-tsivana nakana azy ireo ny maha mpikambana eo anivon’ny Mapar  azy.  Eo  koa ny traikefa na ny fahaizana mitantana sy misahana ny raharaham-panjakana ankapobeny.

Haterin’ny Mapar eny Iavoloha,  horaisin’ny filoha Rajaonarimampianina, ny  antontan-taratasy momba izany. Hanaovana dika mitovy koa  ny etsy amin’ny HCC Ambohidahy.

Araka izany, andrasana  hatramin’ny zoma  ho avy izao ny  fanendren’ny filoha  ny iray amin’ireo telo ho praiminisitra avy amin’ny maro anisa eny Tsimbazaza, amin’ny alalan’ny Mapar.

Aorian’izany, hanangana ny governemanta ny voatendry eo.  Tsy azo ihodivirana  ny mety hisian’ny praiminisitra lefitra sy ny minisitra avy amin’ny maro  anisa avy amin’ny depiote ho an’ny fanovana. Anisan’izany ny avy amin’ny antoko  Tim  sy ny Malagasy miara-miainga… Tombanana ho vita afaka 10 andro indray  kosa ny  fametrahana izany.  “Horaisintsika am-pifaliana ny praiminisitra sy ny minisitra hotendrena eo…”, hoy ny  depiote ho an’ny  fanovana, afakomaly, taorian’ny dinika momba ireo olona hotendrena ireo.

Synèse  R.     

Les commentaires sont fermées.