Flash
Préc Suiv

Fandaharanasa samihafa : mitohy ny fitanisana tanjona tsy ho tratra

Fandaharanasa samihafa  : mitohy ny fitanisana tanjona tsy ho tratra

 Mitohy ny kobaka ama-bava amitahana ny vahoaka toy ny fanaon’ny mpitondra nifandimby sy ny fandaharanasa hatramin’izay, raha tsy hilaza afa-tsy ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra PSDR, ohatra. Arangaranga indray izao fa hahazo rano fisotro madio ny 67%-n’ny Malagasy amin’ny taona 2019.

Tsy misy fiovana ny fomba fanatanterahana tetikasa eto Madagasikara. Entina hakana fo ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, izay vola indramin’ny fanjakana ary aloan’ny taranaka malagasy, aseho ny tetibola midangana sy ny tanjona lazaina fa ho tratrarina amin’ny alalan’ny tarehimarika sy ny isanjato tsy voamarina. Hanamarinana izany, milaza indray ny fitondrana fa hahazo rano fisotro madio ny 67%-n’ny Malagasy amin’ny taona 2019 (afaka fito volana???) raha toa ka ny 24% ihany ny manana izany ankehitriny.

Izany hoe, raha kajina tsotra, hisy 43%-n’ny Malagasy fanampiny hahazo rano fisotro hafa izany amin’ny  taona ho avy. Raha tombanana 24 tapitrisa ny isan’ny mponina eto Madagasikara (efa mandeha ny fanisana vaovao), tombanana hahazo famatsian-drano izany ny maherin’ny 10 tapitrisa, ankoatra ireo 24% (5,76 tapitrisa) efa mahazo.

Vao mainka mahantra ny vahoaka

Tsy mazava mihitsy anefa ny fomba hanatrarana io tanjona lazaina etsy ambony io, fa azo heverina fa entina hahazoana ny volabe avy any amin’ny mpamatsy vola iaraisam-pirenena sy hanairana ny sain’ny malagasy fotsiny. Antony, tsy lazaina ny faritra, ny distrika, ny kaominina, ny fokontany hanatanterahana ny asa, fa mionona amin’ny hoe “lava-drano miisa 200 no hatao any Atsimo Andrefana sy Menabe”.

Rehefa zohina koa ity fandaharanasa mikasika ny rano ity, fanofanana, atrikasa, lazaina fa fanamafisana fahaiza-manao ny betsaka, tohanan’ny Unicef.

Tsy vaovao eto Madagasikara ny fitanisana fandaharanasa sy tetikasa toy izao. Amina miliara ny vola nosamborina tamin’ny Banky Iraisam-pirenena nanatanterahana ny Fandaharanasa tohana ho an’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (PSDR). Vokatra azo tsapain-tanana, vao mainka nitombo nahantra ny 92%-n’ny vahoaka, satria tsy nisy ny fandaharanasa ho fanohizana azy naharitra. Santionany ihany io, fa maro ny vola very an- javona hafa mahasahana ny eny ambanivohitra , toy ny Tahiry fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana (Fid), ny Fandaharanasa ho an’ny tanora mpandraharaha (Projer), sns.

Randria

Les commentaires sont fermées.