Flash
Préc Suiv

Fierenana Tsiroanomandidy : 4×4 ana deipote nivadika, olona efatra naratra mafy

Niala lalana ary nivarina an-kady ny fiara 4×4 an’ny depiote an’Ambatomainty, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 2ora maraina, tany Sarodrano, kaominina Fierenana, RN1 PK 85. Fiara saika ho aty Antananarivo izy io izao tra-doza izao. Nivadibadika intelo ilay fiara vao tafajanona tany anaty hady. Olona efatra naratra vokatr’izay ny olona efatra, ka anisan’izany ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra any Bemarivo sy Makaraingo ary Marotsialeha. Samy ao amin’ny distrikan’Ambatomainty avokoa ireo. Anisan’ny naratra ihany koa ny vadin’ilay depiote nandeha tamin’io fiara io. Nalefa any amin’ny hopitaly any Tsiroanomandidy avokoa izy rehetra ireo. Mandray an-tanana ny famotorana ny zandary any Mahatsinjo. Araka ny voalaza, noho ny faharerahan’ny mpamily ny nahatonga ny loza.

Tao anatin’ny herinandro izay, nisehoana lozam-pifamoivoizana matetika tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Vao ny herinandro teo, kamiao iray nifandona tamina moto ka nahafatesana mpandeha moto tany Ampary. Vao haingana ihany koa ny taksiborosy Mazda nifanehatra tamin’ny kamiao. Mila fitandremana ny fampiasana ny lalana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.