Flash
Préc Suiv

Taitra ny olona tsy mba taitra…

Taitra ny olona tsy mba taitra…

Hitaona olona ho eny Antsonjombe koa ny fitondrana amin’ny asabotsy ho avy izao. Milaza fa hanao tatitra amin’ny vahoaka ireo olom-boafidy manohana ny fitondrana. Tsotra ny resaka, fa taiza ny tatitra natao tamin’ny mpifidy azy ireo nandritra ny fivoriana ara-potoana indroa isan-taona, nandritra ny efa-taona ? Inona ny tatitra natao tamin’ny vahoaka mikasika ny tetibola isan-taona hitantanana ny firenena, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny andramena, ny kolikoly amin’ny fifaninanana fandraisana zandary, polisy, mpitsara, mpiasam-panjakana ambony, ny fahazoana tsenam-baro-panjakana, ny eny amin’ny toeram-pitsaboana, ny fanaovan-draharaha eny amin’ny kaominina, ny fitsarana, ny fanamparam-pahefana hamoahana entana eny amin’ny fadin-tseranana, mahatonga ireo solombavambahoaka 73 mitaky fa « aoka izay ny kolikoly » ? Fantatry ny besinimaro fa misy tokoa ny kolikoly nahatonga azy ireo nitroatra nidina an-dalambe, ny 21 avrily teo.

Mazava fa leo “krizy” ny Malagasy, saingy tsy zakany intsony ny tsy fitsinjovan’ny mpitondra ny “ativilaniny”, ny “kolikoly” amin’ny endriny samihafa. Nisy aina nafoy ny 21 avrily teo, nahatonga ny “hetsiky ny fanovana” nitaky ny “fialan’ny filoham-pirenena sy ny forongony”.

Odian’ny mpitondra tsy fantatra avokoa ireo “fototry ny olana” misy eto amin’ny firenena ireo, fa lalaovina any amin’ny “endriny” ny rehetra. Efa fanaony rahateo ity maka tahaka  paikady ity mba tsy hilazana ilay voambolana fampiasan’ny rehetra ara-bakiteny hoe “mandika sy mametaka” (copier/ coller). Vao nikabary voalohany amin’ny maha filoham- pirenena azy i Rajaonarimampiana, naka ny kabarin’ny filoha frantsay, i Nicolas Sarkozy. Nandeha ny fotoana, efa hifarana indray ny fe-potoam-piasany, nalainy tahaka koa ny paikadin’ny filoha Rajoelina amin’ny “Fisandratana”.

“Taitra tokoa ny olona tsy mba taitra ka taitra irery vao mamaky takotra”. Hitondra olona maimaimpoana hijery mpanankanto eny Antsonjombe. Olona hankafy ireo mpanakanto ny ho avy eny, sady “baojy” tsy andoavam-bola rahateo, ny vola efa tsy misy satria noraofin’ny manam-pahefana sy ny tandapa ary ny forongony avokoa. Sao hanody amin’ny taranaka ny fomba toy izany “sanatria”?

Randria

 

Les commentaires sont fermées.