Flash
Préc Suiv

Fitarihana hanao OPK : lehilahy iray voaheloka roa taona an-tranomaizina

Nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ny CFOIM (Collectif français d’origine indienne de Madagascar) momba ny fandranitana nataona olona iray tamin’ny alalan’ny “facebook”. Nitarika olona hankahala karana sy hanafika karana na ilay antsoina hoe OPK izy io. Vokatr’izay, niteraka tahotra eo amin’ny teratany karana ity fandranitana tamin’ny Facebook ity ka nametraka fitoriana izy ireo. Rehefa nanao fanadihadiana lalina ny zandary, voasambotra, ny 7 mey lasa teo, ilay olona nanao io resaka amin’ny “facebook” io. Natolotra ny fampanovana ny 9 mey, ary natao ny 18 mey teo ny fitsarana ka voaheloka roa taona an-tranomaizina sazy mihantona izy io. Nisaotra ny zandary ny CFOIM manoloana ity vokatra ity. Nenjehina noho ny fanalam-baraka, fanompana sy fitarihana ho amin’ny fankahalana olona ilay lehilahy nanao “facebook”. Voasokajy ao anatin’ny “cybercriminalité” ity fandikan-dalàna ity, araka ny lalàna n°2014-006, ny 17 jolay 2014, ao amin’ny andininy faha-18 sy 20.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.