Flash
Préc Suiv

Teraka kambana telo : miantso tolo-tanana i Larisse

Teraka kambana telo  : miantso tolo-tanana i Larisse

 Rafenonjanahary Thonyo, Sandro ary Serjio. Ireo izy telo lahy kambana, zana-dRafanomezantsoa Larisse mivady, avy any Ankadinondry Sakay, faritra Bongolava. Miantso tolo-tanana ho an’ireo malala-tanana ny ray aman-drenin’izy telo lahy ireto, hanampy amin’ny rononon-jaza sy ny kojakoja ilaina amin’ny fitaizana fa tsy maharaka.

Teraka tetsy Befelatanana tamin’ny 3 mey teo izy ireo ary samy salama tsara na ny reny na ny zaza. Tsy maintsy nandalo fandidiana anefa ny renin-jaza nahafahana mamoaka ireo zaza telo ka lany vola, araka ny fitantaran’izy ireo. Anisan’ny antony hiantsoany tolo-tanana izany. Tantsaha izy mivady ary efa nivaro-pananana mihitsy, nahafahana niatrika ny fiterahana teto Antananarivo. Mvola 034 19 422 24 ny ahazoana manampy azy.

Les commentaires sont fermées.