Flash
Préc Suiv

Savate boxe française – «Mada 2018» : hofantenina ireo ho ao anaty ekipam-pirenena

Savate boxe française – «Mada 2018»  : hofantenina ireo ho ao anaty ekipam-pirenena

Hiavaka ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja savate boxe française, amin’ity. Araka ny fantatra, hifantenana ireo handrafitra izay ho ao anaty ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ilay fifaninanam-pirenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maorisy ny 24 sy 25 jona ho avy izao, izany.

Etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny hanatontosana ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny 25 ka hatramin’ny 27 mey ho avy izao. Hifaninana, amin’ity fifaninanam-pirenena ity, avokoa ireo ligim-paritra miisa 11, mandrafitra ny federasiona.

Tsiahivina fa anisan’ireo ligy manana mpikatroka be indrindra sady sangany Analamanga. Na izany aza, manana ny hambarany ihany koa ny avy any Vakinankaratra, Boeny, Atsinanana, Itasy sy ny hafa, izay afaka mifaninana sy mampiseho ny tena tanjany  ihany koa. Hotanterahina, ny 24 mey ny fandanjana ireo mpikatroka. Nambaran’ny teknisianina eo anivon’ny federasiona fa hiakatra ny lentan’ny ady, amin’ity. Mialoha ny hiatrehana ny tena ady, hisy fanofanana ireo «juge arbite”, ny 22 sy ny 23 mey 2018.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.