Flash
Préc Suiv

LTC sy Lycée JJ Rabearivelo : mifampiandry kendry tohina ireo mpianatra

LTC sy Lycée JJ Rabearivelo  : mifampiandry kendry tohina ireo mpianatra

 Voatery natsahatra mihitsy, omaly, ny fampianarana ao amin’ny LTC Ampefiloha sy ny Lycée JJ Rabearivelo. Vokatry ny fifanjevoana nahafaty ilay « surveillant »-n’ny Lycée JJ Rabearivelo, mifampiandry kendry tohina, mifampihantsy any anaty Facebook ireo mpianatra.

Nanomboka ny alakamisy teo, novorin’ny tompon’andraikitry ny sekoly ny mpiantry ny LTC. Nilazana ny mpianatra fa tsy misy manao fanamiana « tablier » ireo mpianatra rehefa mandeha mianatra.

Omaly kosa, natsahatra mihitsy ny fampianarana ao amin’ny LTC sy ny ao amin’ny JJ Rabearivelo, ho fitsinjovana ny ain’ireo mpianatra. Tsikaritra mbola mifampihantsy eny ambony tambajotra sosialy ireo mpianatra. Manahy ny tohin’ny raharaha ny ray aman-dreny.

Raha tsiahivina, resin’ny JJ Rabearivelo tamin’ny lalao baskety ny ekipan’ny LTC, nandritra ny lalao fifaninanana tetsy Mahamasina, izay nokarakarain’ny Bianco, nandritra ny Andron’ny tambajotran’ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana.

Tsy nahatanty resy ny LTC ka rafitra ny ady. Efa nifampihantsy hatrany ireo mpianatra nandritra ny lalao. Tonga nampisaraka ny mpianatra ireo mpanabe tao amin’ny JJ Rabearivelo ka nanaovan’ny mpianatry ny LTC tambabe.

Maty, vokatr’izany, ilay mpanabe avy ao amin’ny Rabearivelo ka teraka nanomboka teo ny fanaovana valifaty sy fifampiandrasana kendry tohana eo amin’ireo samy mpianatra.

 Mahazo vahana ny ditran’ny mpianatra

Betsaka ireo mpampianatra nitsara avy hatrany fa vokatry ny fanomezana vahana ny mpianatra, haniratsira sy hamingavinga mpampianatra, izao tonga amin’ny famonoan’olona izao. Tsy takatry ny saina eritreretina hoe, mpianatra eny amin’ny lycée, mahavita mamono mafaty olona. Manahy ny mbola hanomezana vahana ireo mpianatra nahavanon-doza ihany ireo mpampianatra sendra tafaresaka taminay.

Raha tsiahivina, mpampianatra iray no efa nigadra sy niharan’ny sazy henjana rehefa avy novingavingain’ny mpianatra ka nikasi-tanana ilay mpianatra izy nony avy eo. Nanomboka teo, nahazo vahana ny ditran’ny mpianatra sy ny faniratsirana mpampianatra ka izao lasa miafara amin’ny famonoan’olona izao.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.