Flash
Préc Suiv

Kaominina ambanivohitra : misy ny solombavambahoaka mandrahona ben’ny Tanàna

Kaominina ambanivohitra  : misy ny solombavambahoaka mandrahona ben’ny Tanàna

Nivory teto Antananarivo, nandritra ny roa andro, ny ben’ny Tanàna mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna amin’ny kaominina ambanivohitra eto Madagasikara. Nahatonga solontena roa ny faritra 22 nandritra ny fihaonana, nanaovana jery todika ny olana mbola iainan’ny kaominina eny ambanivohitra. “Anisan’ny nivoitra ny mbola fahatapahan’ny famatsiana mitentina 12 tapitrisa Ar avy amin’ny fanjakana nanomboka ny taona 2017”, araka ny fanambaran’ny filohan’ny fikambanana, Razafindratsimba Rado, ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Talatamaty, omaly teny Maibahoaka Ivato. Maro anefa ny kaominina miantehitra tanteraka amin’izany tohana amin’ny vola izany ampihodinana ny asa rehetra andavanandro. Mangataka ny hanafainganana ny fitsinjarana izany fanampiana izany ny ankamaroan’ny ben’ny Tanàna. Raha tiana ny hampandroso ny tanàna rehetra, mila miara-miasa amin’ny sefo fokontany sy ny ben’ny Tanàna ny mpitondra satria izy ireo no mahalala ny olan’ny vahoaka. Ankoatra izay, misy amin’ny solombavambahoaka sasany ny manao antsonjay amin’ny ben’ny Tanàna ary mampihorohoro ireto farany mihitsy fa tsy maintsy manaraka ny didy avy any aminy. Miangavy ny fitondrana hijery manokana ireo ben’ny Tanàna miasa any amin’ny toerana saro-dalana ny mpikambana ka hanome fitaovana toy ny moto ahafahan’ity mpitantana ny kaominina ity manao ny asany.

Maniry ny handrotsahana mivantana ny anjaran’ny kaominina anatin’ny kaontiny momba ny tohana entin’ny Comité local de développement (CLD) (200 tapitrisa Ar zaraina isaky ny distrika) izy ireo hitondrana fampandrosoana mivantana ho an’ny vahoaka.

400 ny mpikambana ao amin’ny fikambanana ary manentana ny ben’ny Tanàna hafa rehetra hirotsaka amin’ny fikambanana ny filoha satria ny fivondronana no hery.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.