Flash
Préc Suiv

Hira evanjelika : hamoaka ny « Malalany Ianao » i Harilanto

Hira evanjelika  : hamoaka ny « Malalany Ianao » i Harilanto

Tovovavy ao anatin’ny taom-pisandratany ! Nisafidy ny hampiasa manontolo ny talenta avy amin-Janahary ho amin’ny asa fitoriana sy fiderana ary fizarana fampaherezana i Harilanto. Ankehitriny, masaka ny nahandro. Ny tolakandron’ny alahady 3 jona ho avy izao, hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Arena Viva Ivandry, hanolotra ny kapila mangirana laharana voalohany “Malalany Ianao” i Harilanto. Hirakitra ny sanganasany miisa 12 ity vokatra vaovao ity. “Niniana natao kapila hirakitra feo fotsiny (CD Audio) ity santa-bokatra ity hahafahana mampita bebe kokoa ny hafatra raiketin’ireo tononkira izay azo ambara fa bitsika avy amin’ilay Ray Tsitoha”, hoy izy.

Ankoatra an’i Harilanto, ho avy hanotrona ity taninketsan’ny hira mitaiza fanahy ity ihany koa i Mialy Rakotomamonjy sy i Joseph d’Af. Ireto farany izay noraisin’i Harilanto ho toy ny zoky mpanoro hevitra sy mpitari-dalana azy amin’ny famakivakiana ny lalan-tsarotry ny fikirakirana ny hira sy ny mozika. Hisy ny fampiaraham-peon’i Harilanto amin’izy ireo sy ny fiarahana mihira ilay sanganasa “Malalany Ianao” amin’ireo ankizy latsaky ny 12 taona ho avy eny an-toerana.

Malalaka amin’ny gadona lalaoviny (milamina sy mihetsika) i Harilanto sy ireo mpitendry zavamaneno efa matihanina manaraka azy. Ironan’izy ireo kokoa anefa ny hira milamina toy ny slow, jazz… Tombony ho azy rahateo ny nilonana ela anatin’ny sehatry ny antoko mpihira izay nandalinany ny teknika fototry ny mozika toy ny solfezy.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.