Flash
Préc Suiv

Fitadiavam-bahaolana : tsy an’ny FFKM ny tetezamita 18 volana

Fitadiavam-bahaolana    : tsy an’ny FFKM ny tetezamita 18 volana

Inona ihany ny vahaolana amin’izao krizy politika izao? Miely ny tahirin-kevitra momba ny tetezamita 18 volana, lazain’ny FFKM fa tsy avy aminy.

« Tsy avy amin’ny FFKM na oviana na oviana ireo tahirin-kevitra miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery, izay milaza fa izany tetezamita mandritra ny 18 volana izany sady maneho ireo endri-pandaminana momba azy. »

Io ny fanambaran’ny birao foibe Fiombonan’ny fiangoanana kristianina eto Madagasikara (FFKM), teny Ambohimanoro, afakomaly, manoloana ny fielezan’ny tahirin-kevitra fananganana tetezamita mandritra ny 18 volana hamahana ny krizy politika amin’izao fotoana izao. Manao sonia izany ny birao foiben’ny FFPM, ny solontenan’ ny EEM, ny solontenan’ny FLM, ny solontenan’ny Ekar ary ny solontenan’ny FJKM.

Tsy mbola misy dinika momba ny rafi-pandaminana

 Hamafisin’izy ireo fa tsy mbola nisy dinika momba izany velively teto anivon’ny FFKM. Noho izany, tsy tomponandraikitra amin’ny fiparitahan’izany hevitra izany ny fiangonana, manao antso avo mandrakariva amin’ny fanajana ny fahamarinana sy ny fihavanana ao anatin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Mba hampandrosoana ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena izany.

« Hatreto, mbola mianina teo amin’ny sehatry ny fihainoana ireo sokajin’olona voakasik’izao olana misy izao eto amin’ny firenena izao izahay », hoy ny fanambarana. Tsy mbola niady hevitra na namoaka hevitra momba ny fandaminana na fifanarahana na tolo-kevitra hoenti-mandravona ny disadisa misy ny FFKM.

Resy lahatra izy ireo fa marina tsy azo ihodivirana ny tenin’Andriamanitra hoe: « Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona. » (Ohab 14: 34).

R. Nd.

Une réponse à "Fitadiavam-bahaolana : tsy an’ny FFKM ny tetezamita 18 volana"

  1. Zana-Bano  21/05/2018 à 19:18

    Salama tompoko!
    Mametraka fanontaniana ny tenako hoe inona no antony hidiran’ny fiangonana amin’ny raharaha pôlitika? Ekena fa ray aman-dreny ara-panahy ry zareo, kanefa kosa ny fanjakàna malagasy dia fanjakàna laika, ka tsy tokony hiditra velively amin’izany ny FFKM, fa tokony ho havelany ho anjara asan’ny mpanao pôlitika izany, na fanelanelanana aza dia tsy tokony ho hataony velively. Tokony ho hatsatra koa ity isaky ny misy fihanianan’ny filoham-pirenena vaovao dia tsy maintsy eo foana fiangonana, satria eo dia efa fandinkana lalam-panorenana satria lasa tsy laika intsony ny firenena. Aoka hazava ny resaka fa ny tenako izay manoratra dia mpivavaka ary tena mino an’Andriamanitra. Tsy anefa izany tamin’ny repôblika voalohany. Ka dia tokony ho tohizana toy izany foana, na raha tsy izany dia hesorina ilay teny milaza manao hoe ao anaty lalam-panorenana fa ny fanjakàna Malagasy dia fanjakàna laika.

Les commentaires sont fermées.