Flash
Préc Suiv

Fetin’ny Pentekosta : hahetsika ny polisy miisa 4 677

Fetin’ny Pentekosta  : hahetsika ny polisy miisa 4 677

 « Amin’izao an-katoky ny fetin’ny Pentekosta izao, toy ny fanao isan-taona, manana andraikitra ny polisim-pirenena, amin’ny fitandroana ny filaminana, hahafahan’ny rehetra mifety ka lohahevitra voizina dia ny hoe : “filaminana iaraha-misalahy, fisorohana ny loza mialoha”, hoy ny polisim-pirenena. Fiaraha-miasan’ny rehetra ka mifameno amin’ny lamina efa apetraky ny ao amin’ny zandarimaria eto anivon’ny polisim-pirenena”, hoy ny fanazavana. Manerana an’i Madagasikara, efa « consignés » avokoa ireo polisy rehetra. Hahetsika manerana ny Nosy ny polisy miisa 4 677. Voakasik’izany daholo ireo sehatrasan’ny polisy rehetra ka mitsinjara ho 2 271 ho an’Antananarivo, 545 ho an’i Toamasina, 455 ho an’Antsiranana, 627 ny an’ny polisin’i Mahajanga, 572 ho an’i Fianarantsoa ary 307 ho an’i Toliara.

“Mizara roa miavaka tsara ny andraikitra hosahanina, mandritra izany, ny fitandroana ny filaminana, ny fampirindrana ny fifamoivoizana”, hoy ny fanazavana.  Hisy ny fitandroana ny filaminana amin’ireo fidirana sy fivoahana ny tanàn-dehibe rehetra. Fiambenana ireo toera anaovana fety, sy ny toeram-pivavahana mandritra ny “Herinandro masina” sy ny alahady. Hisy koa ny fijerena manokana ireo toeram-pitsangantsanganana izay andehanan’ny ankamaroan’ny olona rehefa alatsinain’ny Pentekosta. Fitandroana ny filaminana amin’ireo làlam-pirenena. “Anisan’ny tsindrina mafy amin’izany ny fisorohana kanefa raha sendra ny tsy azo anoharana, tsy maintsy ho tonga amin’ny fanenjehana sy fanasaziana”, hoy ny fanazavana.

 Alamina ny fifamoivoizana

Milaza ny polisy fa halamina ny fifamoivozana an-tanàn-dehibe. Hisy ny fanentanana hatrany ny mpampiasa lalana mba hifanaja ho fisorohana araka izay azo atao ny lozam-pifamoivoizana, ny fanamorana ny famonjena raha sanatria ka misy izany. “Marihina fa homen-danja kokoa hatrany ny fampianarana sy fitaizana ary fisorohana, mba tsy hahatongavana any amin’ny fanasaziana”, hoy ny fanamafisana. “Miantso ny rehetra samy handray ihany koa ny fepetra manandrify azy. Hitandrina amin’ny fisotroana alikaola ka hahalala onony. Hifanaja ka samy hijery ny fiarahamonina sy ny manodidina, indrindra fa ny samy mpampiasa làlana”, hoy ny polisy.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.