Flash
Préc Suiv

Zaka tsara

Izao vao mikoropaka…

Amin’izao, mbola misy ihany ny manao kabary ambony vavahady fa vonona hampandroso ny firenena, hanolo-tena hitsinjo ny vahoaka… Nefa efa misavoritaka ny toe-draharaha, tsy misy mandeha amin’izay izy.

Efa naman’ny mikatso noho ny fitokonana ny raharaha ankapobeny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy nandeha hatramin’izay, fa voasarontsaron’ny fisehosehoana ivelany, teny tsy valina, fampanantenana…

Ahoana no hamahana ny fitakiana zavontany amin’izao: karama tsy mahavelona, ady tany, tsy fandriampahalemana, fampanantenana tsy tanteraka… Valin’izany rehetra izany? Fanovana sy fiovana…

Izao vao mikoropaka? Izay ela izay, tsy hita izay vita. Handoa-danitra aiza amin’ity fe-potoam-piasana sisa aty am-parany? Fahendrena no takina izao fa tsy fahavononana indray,  tsy tanjaka, tsy drafitra…

Aiza ho aiza izany amin’izao? Ny manao vavan’ny maty an-drano, arakaraka ny fikoropahana no mampilentika matetika noho ny tetika…

R. Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique