Flash
Préc Suiv

Tselatra

Notafihin’ny jiolahy telo nitondra basy ny toeram-pivarotana iray eny amin’ny fokontany Antanetibe Ankadikely Ilafy, afakomaly hariva. Nanao tifi-danitra ireo jiolahy mialoha ny nidirana tao an-trano. Voaroban’ireo olon-dratsy ny vola 1 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny entana sarobidy tao an-trano. Tsy nisy ny aina nafoy. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ankadikely Ilafy no manao fanadihadiana.

Olona roa naratra mafy vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao amin’ny fokontany Ampasimbe Brickaville, RN 2 PK 178, afakomaly maraina. Kamiaobe iray avy any Toamasina hihazo aty an-drenivohitra no nivoaka ny lalana vokatry ny fandehanana mafy ka tsy voafehin’ny  mpamily intsony ny familiana. Nivadika ny fiara ka naratra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tsaboina ao amin’ny CSB II Ampasimbe ireo niharam-boina.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique