Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo , Resaky ny mpitsimpona akotry : fanendrikendrehana an-drariny

Alahady tolakandro. Mikatso ny fifamoivoizana amin’ iny arabe eny Imerinafovoany mamonjy an’Ambohibao iny. Mandady manao dian-tsokatra ny fiara mitanjozotra. Poa tahak’izay, iny misy fiara mandingana ny fepetra fandaminana, misongona ny rehetra ary mirimorimo mangalatra ny anjara lalana atokana ho an’ny fiara mifanena. Fa angaha moa taitra akory ny anao lahy ? Noho ny jiro manjelanjelatra eo amin’ny fitaratra aloha dia mihevitra angamba izy fa tsy maintsy misokatra ho azy eo anoloanany ny làlana. Marina ny azy ! Mamonjy sisiny mitampifipify avokoa ireo mifanena aminy. Maro angamba ireo azon’ny fakampanahy mila hanompa mihitsy nefa moa alahady ny andro ka manindry fo. Na izany aza samy manozona an’ilay tsy valahara ? Iza moa ity tsy valahara main’ny ozona, raha nahafaty ny ozona ? Minisitra hoy izay ametrahana ny fanontaniana. Minisitra tsy fantatra hoe iza marina amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy misy afa-tsy ny iray amin’ireo hono. Maro loatra izy ireo no tsy mandraharaha an’izay fiheveran’ny mpiray monina tsy ananany tahotra na henatra ny fampisehoana toetra ratsy fanjakazakana. Ny tena mapivonto fo ny olona dia ny fanaovany ny fihetsika toy izao amin’ny andro alahady. Tsy misy hitsara na tena mpivavaka na mpiatsaravelatsy izy ireny. Nefa kosa raha jerena amin’ny fihetsika toy ireny dia mampieritreritra ihany. Araky ny fanalana tsiny heno mikasika ny fanaparam-pahefana toy ireny dia ny famaizana noho ny fikarakarana raharaham-pirenena, dia na alahady aza dia misy fampiantsoan’ny lehibeny maika mahatonga fanilikilihana ny mpiray monina. Ho gaga ve raha ankahalaim-bahoaka ?

Ny mponina koa moa etsy andaniny tsy te hanavaka intsony, fa raha vao fiarabe 4X4 tsy ahafantarana an’izay ao anatiny noho ny fitaratra maizina dia tonga dia mamalan-kira amin’ny fanendrikendrehana. Misy anefa olona tompona fiara lafo vidy toy ireny no manararaotra noho ny fahalalany fa na voarara aza ny fitaratra diso matroka be loatra sarotra ho an’ny mpitandro filaminana no anakana azy ireny mba isavana raha tena tompon’andraikitra ambony tokoa no ao anatiny na tsia. Vokatr’izany rehetra izany anefa dia ny fitondrana tsy an-kanavaka no iangonan’ny rihatra. Raha manakaiky ny fifidianana dia manampy ny lonilony noho ny tsy fahitan’ny mponina vokatra mivaingana ny zava-madinika tsy tsindry.

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique