Flash
Préc Suiv

Fanelanelanan’ny CFM : hihaona ireo filoha efa-tonta

Fanelanelanan’ny CFM      : hihaona ireo filoha efa-tonta

Mitohy ny fanelanelanan’ny CFM hamahana ny krizy. Nanomboka omaly ny fanomanana ny fampihaonana ireo filoha teo aloha sy ny filoha am-perinasa: Ratsiraka Didier, Ravalomanana Marc, Rajaonarimampianina Hery, Rajoelina Andry. Hahazoan’izy ireo mitondra soso-kevitra amin’ny famahana ny olana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao koa ny fihaonana.        

« Hisy ny fikaonandoha hiarahan’ireo raiamandreny ireo, izay hanapaka ny zava-drehetra », hoy ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, teny Ampefiloha, afakomaly. Tsy misy idiran’ny vahiny izao fivoriana sy fampihaonana ho famahana ny krizy izao, fa an’ny samy Malagasy.

Nahazo tsodrano avy any Vatican  ny fampihaonana, fa eny amin’ny Nonciature apostolique, Ivandry, no nanohizan’ireo solontenan’ny filoha efa-tonta ny dinika, omaly. Eo ny avy amin’ny Mapar, Ramaholimasy Pierre Houlder sy Andriamananoro Augustin; avy amin’ny Tim, Ravatomanga Roland sy Andriamadison Hasina; avy amin’ny HVM, Rakotovao Rivo sy i Maharante Jean de Dieu; avy amin’ny Arema, i Simon Pierre sy Ratsiraka Annick.

 Tsy maintsy atrehina ny fifidianana

 « Lohahevitra iray hodinihina ny momba ny fifidianana, satria tsy maintsy hiatrika fifidianana filoham-pirenena isika ato ho ato. Ao anatin’izany ny hoe fifidianana mangarahara, tsy manavakavaka, eken’ny rehetra… « , hoy ny filohan’ny CFM. Marolafy ny zavatra jerena ao anatin’ny fifidianana. Anjaran’ireo raiamandreny ireo ny mijery izany. Manao ahoana ny rafitra mpanomana ny fifidianana, ny olona hanomana izany… ?

Hatsangana ny komity teknika  hanara-maso izay fifanarahana hatao. Hisy fifanarahan’ny mpisehatra politika hatao amin’izany. « Izay no hitondra any amin’ny filaminana », hoy izy. Ahitana ny CFM sy ny solontenan’ireo raiamandreny ireo ny komity mpanara-maso.

R. Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique