Flash
Préc Suiv

Diabe fakana ny mpianatr’Ankatso : andian-jatovo voakarama nitoraka “Cocktail Molotov”

Diabe fakana ny mpianatr’Ankatso  : andian-jatovo voakarama nitoraka “Cocktail Molotov”

Mpitarika fitokonan’ny mpianatra Ankatso teo aloha roalahy, efa mpiara-dia amin’ny fitondrana HVM ankehitriny no notondron’ny teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, ho tao ambadiky ny fitorahana ”Cocktail Molotov”, nandritra ny diabe nitaomana ireo mpianatry ny oniversite, omaly.

Tafiditra teny amin’ny oniversite Ankatso ireo mpitolona avy amin’ny depioten’ny fanovana, omaly maraina. Nitarika ny mpianatra hamonjy ny tolona izy ireo, ary nitety departemanta mihitsy. Nisy tampoka anefa ny olona nanipy “cocktail Molotov” ny fiara 4×4 nampiaisan’ny mpitolona hanentanana ny mpianatra, teo ambonin’ny Esplanade. Tsy voa ilay fiara fa efa saika ratsy raha niroso aloha kely. Nampisahotaka sy nampitsoaka ny mpianatra marobe nitazana ny zava-niseho izany. Soa ihany fa tsy nisy ny naratra, na saika nifatratra tamin’ny mpianatra teny ambanin’ny Esplanade aza izany.

Tsy fantatra mazava ireo mpitoraka “cocktail Molotov” fa tao anaty mpianatra izy ireo tamin’io fotoana io. Nisy ny sary tamin’ny video nipatrika, omaly, nanondro ny olona hoe nahavita izany. Mazava ho azy fa nitsoaka ireo nahavanon-doza. Ny depiote, ny Me Hanitra kosa, teny amin’ny kianjan’ny 13 mey nanondro an’i Jean Pierre sy i Berija (samy mpitarika mpianatra eny Ankatso) ho ambadik’ity fitorahana “cocktail Molotov” ity. Nampitandrina azy ireo mihitsy ary milaza ny ho any amin’ireo mpitarika mpianatra ireo ry zareo depiote.

Tsy nisy ny fifandonana teny Ankatso na nisy aza ny fihantsiana teo amin’ireo tsy mankasitraka ny famoahana mpianatra sy ny manaraka izany. Nivoaka teny amin’ny fiantsonana 119 ny mpianatra nanaraka ny hetsika ary nitohy nidina teny Analakely. Tazana teny ihany ny mpitandro filaminana, saingy tsy nisakana toy ny fanaony fa nitazam-potsiny.

Niteraka fitohanana

Niteraka fitohanan’ny fiarakodia tamin’ny fidirana eto an-dRenivohitra ny hetsiky ny mpitolona omaly. Nifamotoana teny Analakely ireo mpitolona izay nivoaka isaky ny boriborintany. Nanao dian-tongotra lavareny miaraka amin’ny sora-baventy ny sasany, raha nandeha fiara kosa ny hafa.

Maro ireo mpanao fihetsiketsehana ka nitazam-potsiny ireo tsy nanaraka izany izay nihitsoka tanaty fitohanana. Nilamina kosa anefa izany rehetra izany. Tazana teny rehetra teny ihany ny mpitandro filaminana, saingy nitazam-potsiny ny zava-miseho. Tsy nisy rahateo ny korontana hatramin’izao. Mitohy hatrany ny hetsika.

Yves S.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique