Flash
Préc Suiv

Depiote ho an’ny fanovana : “ho tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ny HCC”

Depiote  ho an’ny fanovana  : “ho tompon’andraikitra eto amin’ny firenena  ny HCC”

Nitodika amin’ny HCC ny lahateny nifandimbiasan’ireo  depiote ho an’ny fanovana  tetsy amin’ny  kianjan’ny 13 mey,  omaly. “Ho tompon’andraikitra eto amin’ny firenena  ianareo eo anivon’ny HCC. Aoka  hitsara araka ny lalàna  ianareo”, hoy  izy ireo. Nanterin’izy ireo fa tokony hijoro amin’ny  fahamarinana ireo mpitsara eo  Ambohidahy. “Tsy tokony hitanila ianareo… Vonona  izahay ny  hiaro anareo”, hoy izy  ireo. Nohitsin’ireto depiote  ireto koa  fa hany lalan-tokana hivoahan’ny mpitondra am-boninahitra ny fametraham-pialana dieny izao. “Hany fanafody tokana izany… Efa ampy izay ra latsaka nandritra ny efa-taona  izay.  Ny fampahantrana ny vahoaka.. . Tsy natao hitondra firenena Rajaonarimampianina”, hoy ihany ireto depiote ireto.

Marobe ireo mpianatra avy eny Ankatso

Nialoha izany, naka ny mpianatra  sy ny eo anivon’ny Seces eny Ankatso  ireo  depiote. Lava ny filaharana tamin’ny diabe niala teny amin’ny oniversite, nihazo ny kianjan’ny 13 mey. “Tokony ho mbola marobe mihoatra ireo aza fa natahotra noho ilay fipoahana  ny sasany  taminay ka niverina sy tsy nanaraka”, hoy ireo solontenan’ny mpianatra. Nanamarika  ny hetsika, omaly, koa ny fahamaroan’ireo mpianatra ho mpitsabo etsy Befelatanana (Paramedicaux). Nanamafy ny fitokonana  sy ny tolona  etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey koa izy  ireo. Nanampy izany ny avy amin’ny Adema sy ny ACM  eny Ivato…

Hanao “sit in” eny amin’ny HCC Ambohidahy

Hitohy anio,  ny  hetsika ka hisy  ny diabe hakana mpiasa amin’ny sampandraharaham-panjakana. Hihazo ny eny amin’ny HCC Ambohidahy  avy eo. “Hopotsipotsirinay sy hotanisainay eo ny antontan-taratasy maloton’ireo mpitondra  ireo rahampitso (anio)…”, hoy ireo depiote. Hitohy  amin’ny fandehanan’ny  solontenan’ny depiote eny amin’ny  RNM/TVM  Anosy izany ny hariva.  Hanana  fandaharana manokana amin’ny haino aman-jerin’ny  fanjakana izy  ireo.  “Tsy adihevitra io fa fanazavanay ny raharaham-pirenena sy ny hevitray ao anatin’izany. Izahay tsy miresaka na miray latabatra amin’ny  depiote mpanao  kolikoly ao anaty fandaharana”,  hoy izy ireo.

Synèse R.           

 

Les commentaires sont fermées.