Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Maty an-drano tao amin’ny renirano ao Ankadivorimena fokontany Ambatolampy Tsimahafotsy Ambohidratrimo, ny ankizilahikely iray ny faran’ny herinandro teo. Nilomano niaraka tamin’ny namany tao amin’ity renirano ity ilay niharam-boina, kanjo tsy nipoitra intsony. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny « poste avancé » Imerimandroso niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB II Ambatolampy Tsimahafotsy nanao fitsirihana ny razana. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Vary akotry 80 gony sy vary fotsy dimy gony niaraka tamin’ny vola 9 tapitrisa Ar no lasa lavenona vokatry ny haintrano tao amin’ny fokontany Mangabe Maevatanana ny faran’ny herinandro teo. Fipoahana herinaratra ny nahatonga ny loza ka niafara tamin’ny fahamaizan’ny trano. Tsy nisy ny aina nafoy. Ny zandary avy ao amin’ny « poste avancé” Mangabe no manao ny fanadihadiana.

Les commentaires sont fermées.