Flash
Préc Suiv

Tetikasa Afiberia : avo roa heny ny vokatra saribao amin’ny teknika nohatsaraina

Tetikasa Afiberia  : avo roa heny ny vokatra saribao amin’ny teknika nohatsaraina

 Niasa, nanomboka ny taona 2008, ny délégation Planète Urgence Madagasikara sampana amin’ny Planète Urgence, fikambanana frantsay miasa amin’ny sehatra telo. Ho an’ny sampana eto amintsika, miompana amin’ny zavatra telo ny asany : filatsahana an-tsitrapo, tontolo iainana sy fampandrosoana ary sampandraharaha momba ny fitantanana sy ny vola. Nanomboka ny taona 2008 ny tetikasa tontolo iainana sy ny fampandrosoana eto Analamanga ka misy sahanasa telo: Afiberia, Alamamy ary Tapia. Fanohanana ny seha-pihariana hazo sy angovo amin’ny faritra Itasy sy Analamanga ny Afiberia nanomboka ny taona 2015, ka mamatsy vola ny tetikasa ny Vondrona eoropeanina hatramin’ny taona 2019. Tanjona ny hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpamokatra hazo sy angovo. Miasa amin’ny kaominina efatra :  i Manjakandriana, Anjepy, i Sambaina ary Ambatomena ny tetikasa. Asa voalohany ny fanofanana ny mpamokatra arina fandrehitra manaraka ny teknika nohatsaraina.  1 283 ny mpamokatra arina efa voaofana  raha 1 500 ny tanjona, hoy ny mpandrindra ny tetikasa Afiberia ao Manjakandriana, Randriatavy Lalatahiana. Misahana ny fanofanana ny Angovo Maharitra.

Ho an’ny mpanjifa azy, mateza kokoa ny arina nohatsaraina ary tsy mandoto satria voatazona ny tahan’ny “carbone” ao amin’ny hazo. Ho an’ny mpamokatra, mitombo avo roa heny ny vokatra arina miakatra rehefa mampiasa ny teknika nohatsaraina raha mitaha amin’ny teknika mahazatra teo aloha. Hametraka lalam-barotra hivarotana ny arina nohatsaraina ny mpiandraikitra ny tetikasa sy ny mpivarotra 19 eto Antananarivo. Ho an’ny arina fandrehitra teo aloha, maharitra 1 volana ny gony lehibe 250 kg. Mateza hatramin’ny 1 volana sy tapany kosa ny arina nohatsaraina mitovy lanja aminy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.