Flash
Préc Suiv

Hetsika etsy amin’ny 13 mey : feno ny fandaharam-potoan’ny depiote ho any amin’ny fandresena

Hetsika etsy amin’ny 13 mey  : feno ny fandaharam-potoan’ny depiote ho any amin’ny  fandresena

Araka ny  efa nanterin’ireo  depiote ho an’ny fanovana,  herinandro ho an’ny fanapahan-kevitra sy hizorana any amin’ny   fandresena  izao.  Efa  voalamina ny  fandaharam-potoana rehetra hatramin’ny  asabotsy,  iarahana amin’ny vahoaka etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Hisantarana izany ny diabe hakan’ny  depiote  ireo mpianatra eny Ankatso sy ny Seces izao maraina  izao. Hitohy amin’ ny fakana  ireo  mpiasan’ny minisitera  na sampandraharaham-panjakana hafa izany avy eo. Hifamotoana eo amin’ny kianjan’ny  13 mey izy ireo  avy eo.  Hitohy  ny  alakamisy izany, amin’ny  alalan’ny fampitam-baovao lehibe, araka ny nambaran’ ny mpandaha-teny, omaly.   Hisy  rahateo mpanakanto lehibe hanafana izany. Ho an’ny zoma  kosa, hanao hetsika eny amin’ny  HCC Ambohidahy  izy  ireo, hanehoana fa tokony efa hovalin’ireo  mpitsara ao Ambohidahy ny fitakiana ny hialan’ny mpitondra sy  ny forongony.

Hamaranana izany ny hetsika lehibe ny asabotsy izao ary efa karazan’ny fandresen’ny tolona amin’ ny alalan’ ny rindran-kira  lehibe  “Tapolaka glady”  hiarahana amin’ ny  tarika  Rossy.  “Hanehoanay  ireo  hiran’ny tolona sy  fanohanana ny vahoaka izany”, hoy ity mpanakanto  ity tamin’ny  teny fohy nataony.

Tsy maintsy misy solontenan’ny depiote 73

Ankoatra  izany, nohitrikitrihin’ireo  depiote  tamin’ny lahateny fa hataon’ireo mpanelanelana an-jorom-bala  sy  hailika  izy ireo.  “Tsy noraharahan’ny CFM isika.  Isika  koa, tsy  te-halalala azy. Hany mba niresaka sy naka hevitra tamintsika hatramin’izao  ny FFKM”, hoy izy ireo. Momba ny feo miely sy ny karazana fifanarahana any ambadika  any, na koa fanelanelanana etsy sy eroa kosa, nohitsin’ireto  depiote ho an’ny  fanovana  ireto fa tsy hanaiky izany izy ireo raha tsy eo hatrany ny solontenan’izy 73 mianadahy. “Avelao ho  raharahanay samy malagasy ity… Aty aminay depiote sy ny vahoaka ny  fanalahidin’izao krizy izao”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique