Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Mipoitra tsikelikly eny an-kianja ny mpanao politika. Nanamarika ny hetsika  tetsy amin’ ny kianjan’ny 13 mey, omaly, ny fahatongavan’ireo  mpanao  politika  sasany eny an-kianja. Anisan’ireo tonga tonga manamafy ny tolona eny an-toerana ny minisitry ny Serasera teo aloha, Andrianjato Vonison. Teo koa ny avy amin’ny Dinika  ho an’ny  fanavotam-pirenena  (DFP), Ratolojanahary Maharavo na  i  Doudou.

Nakaton’ireo vahoaka miandany amin’ny depiote 73 ny TVM/RNM ao Manakara,  omaly.  Tsy levon’ny  vavonin’izy ireo ny  tsy  fampitana ny  vaovaon’ny tolona aty Antananarivo sy ny  hetsika etsy amin’ny 13 mey.  Nanao rodobe avy hatrany  izy ireo nanakatona ny  biraon’ny  haino aman-jerin’ny fanjakana any an-toerana. Tsy  vitan’izany fa nikatona avokoa ny sekoly any an-toerana noho ny fanarahan’ny mpampianatra ny tolon’ireo depiote.

Les commentaires sont fermées.