Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tsy tahotra, tsy henatra ! Sahin’ity jiolahy ity mihitsy ny nianika ny tambohon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy eny Mahamasina ka nangalatra moto iray nipetraka teo an-tokotany ny alarobia 9 mey 2018 misasakalina teo. Roa ry zalahy no niaraka tamin’io fotoana io ka niafina tao amin’ny toerana maizimaizina tamin’ny sisin’ny tamboho eo amin’ny kaomisaria. Novahan-dry zalahy tamin’ny fanalahidy maroanaka ilay moto, kanjo nifanehatra tamin’ny polisy mpiambina ny toby ry zalahy. Noraisim-potsiny izy, saingy tafaporitsaka ny namany.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique