Flash
Préc Suiv

Mamita-tena ny mpitondra…

Mamita-tena ny mpitondra…

Mamita-tena amin’ny alalan’ny vola  sy ireo fizarana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo sahirana izao fitondrana  izao. Mihevitra izy  ireo  fa hahatazona azy eo amin’ ny toerany ny fanambatambazana tahaka  izany. Sandaina vary sy menaka ary vola ireo vahoaka sahirana,  nanotrona ny Andro afrikanina ho an’ny fahasalamana  tetsy Mahamasina , omaly. Nokaramaina hilanja sora-baventy fanohanana ny fitondrana ny sasany  tetsy amin’ny HJRA  sy Mahamasina. Olona  tsy resy lahatra amin’ny fanohanan ny nilanja izany fa noho ny vola fotsiny ihany.  Hanehoana  amin’ireo  vahiny nanatrika teny an-toerana  fa mbola  maro mpanohana izao fitondrana izao.  Nofendrofendrona  indray koa ireo mpivarotra sy mivelona etsy amin’ny manodidina an’Analakely tamin’ny lahateny fa mijaly noho ny korontana ataon’ireo depiote… Fa iza ny nanakorontana  teto,  nanomboka  ny  21 avrily lasa teo ? Ra mandriaka  sy ratra ary  fati-olona ny  valin-kafatr’izao fitondrana izao raha mba nikasa ny hanao  tatitra ny depiote. Tsy mpanakorontana sy namono olona ve izany ?  Tsy mahagaga raha maneho izany amin’ny  sora-baventy ny eny an-kianja  fa mihosin-dra izao fitondrana  izao.

Nambara tamin’ny lahateny sady  tamin’ny  feo avo koa  fa tokony hohajaina ny lalàna ary  anisan’izany ny  lalàmpanorenana. Fa iza ny tsy nanaja  izany teto ? Aiza izao ny Fitsarana avo natao  hitsara ny mpitondra,  tsy mbola  tafatsangana  hatramin’izao ? Tokony hapetraka  anefa izany,  araka ny voalazan’ny lalàna. Ohatra iray ihany iny, ankoatra ireo fanitsakitsahana lalàna miverimberina ataon’izao fitondrana  izao.

Voalaza fa hoentina hitety faritra koa ity fizarazarana vary sy menaka ity, hamoriana   vahoaka. Tsy mahay maka lesona  amin’ny  tantara fa mandika  an-jambany sy zary maka tahaka ny hadisoan’ny  teo aloha. Zatra “kopia kole”  ka  tsy mahagaga. Tsy nitondra  nankaiza ny fomba fanao tahaka izany. Vao mainka  aza namitaka ireo mpitondra nifandimby  teto noho  ny ataon’ireo tompomenakely sy tandapa ary  ny di-dohan’ny mpitondra ka  tsy nampaharitra azy ireo  tamin’ny fitantanana firenena. Voa amin’ny ataony… mamita-tena rehefa namita-bahoaka.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique