Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 Nanambara ny tomponandraikitry ny sekoly katolika fa rehefa tsy hirotsaka an-tsehatra hiaro ny sekoly ny mpitandro filaminana mandritra ny fikasana hitarika ny mpianatra hanaraka ny tolona ataon’ny depiote 73, tsy maintsy mandray fepetra ny mpitantana ny sekoly. Hatramin’izao aloha, mbola vitan’ny fifandresen-dahatra milamina ny adihevitra, fa rehefa manomboka mitora-bato ny vavahady na manankorontana ny fizotry ny fampianarana ny mpitolona, tokony hiditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Rehefa tsy tonga ny mpitandro filaminana, handray fepetra hampitsahatra ny fampianarana tanteraka ny tomponandraikitra hiarovana ny ain’ny mpianatra sy ny fotodrafitrasa, araka ny fanazavan’ny mompera Ranaivoson Jules.

Nosantarina omaly ny hetsika ahitana tolotra fahasalamana « Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny « Herinandro afrikanina ho an’ny fanaovam-baksiny ». Fotoana hanatrarana ireo ankizy tsy vita vaksiny mialoha ny fahaheritaon’ny zaza izao sy hanatonana ireo tena mipetraka amin’ny faritra saro-dalana. Misy tolotra maro hafa miaraka amin’ny vaksiny ho an’ny reny mitondra vohoka sy ny zaza madinika. Vao maraina, efa naka ny vaksiny sy ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany ireo mpanentana ary nanomboka niasa. Handalovana avokoa ny toerana be olona toy ny tsena, toeram-piantsonan’ny fiarabe…

Nandritra ny fisantarana ny hetsika tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly, nisy fizarana vary sy menaka ho an’ny mpanotrona.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique