Flash
Préc Suiv

Tselatra

Hita faty nivalampatra teo ambony fandriana ao an-tranony eny amin’ny fokontany Ambohimanala Andoharanofotsy, ny zoma lasa teo, ny tovovavy iray 18 taona. Ny rahavaviny no nahita ny fatiny. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy fa tonga nanao fanadihadiana teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ka ho fantatra aorian’izay ny marina rehetra.

Taksiborosy Mazda iray no nifandona tamin’ny fiara 4×4 marika Nissan tao Ambalavao fokontany Ambarihambana Sambava, RN 5A PK 297, ny zoma teo. Nifandona tao anaty fiolahana mampidi-doza ireto fiara ireto. Vokany, olona miisa 17 naratra mafy ka isan’izany ny mpamilin’ilay taksiborosy sy ny an’ilay fiara 4×4. Nentina haingana nihazo ny hopitaly ao Besopaka ireo naratra. Ny polisy no mandray an-tanana ny fanadihadiana.

Les commentaires sont fermées.