Flash
Préc Suiv

Nilaza tsy hihemotra ireo depioten’ny fanovana : miala any ny fandrahonana fisamborana sy fanagadrana

Nilaza tsy hihemotra ireo depioten’ny fanovana  : miala any ny fandrahonana fisamborana sy fanagadrana

Mandeha ny resaka fandrahonana sy fanagadrana, any ambony any, amin’izao fotoana izao. Nilaza ny tsy hihemotra manoloana izany ramatahora izany anefa ireo depioten’ny fanovana, tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny asabotsy teo.

Tsy hihemotra amin’ny ramatahora. Hentitra ary nasiaka tanteraka  ny lahatenin’ireo  depiote avy amin’ ny fanovana, tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny asabotsy teo.

« Tsotra ny hafatray :  » Tsy hahavaha olana eto ianareo rehefa atao anjorom-bala izahay depiote sy ny vahoaka. Hampiakatra ny maripan’ny tolona izahay ary efa nisotro ny aleoko maty ka  tsy matahotra izany fisamborana izany. Ianareo manao ratsy indray ve no hisambotra anay? Ianareo no tsy manaraka ny lalàna rehetra, samy nosoran-dreniny menaka isika », hoy izy ireo. Nohitsiny fa  tsy tokony hifampatahotra izany eto ary mbola misy tsy mahalala izany hatezeram-bahoaka izany indray amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’izy ireo ihany. Nambaran’izy  ireo fa efa tonga hatrany amin’ny fandrangarangana fanagadrana na fihazonana ireto depiote ireto amin‘ny toerana voatokana  aza ny resaka any ambony any amin’izao fotoana izao.

Lalàm-pifidianana nahafaty olona

 Ankoatra izany,  nitondrana  fanazavana koa ny nanasoniavan’ny  filoham-pirenena hampanan-kery ilay lalàm-pifidianana.

Nanteriny  fa lalàna nampisy olana teto iny. “Manafokafoka sy manabarabara olona ary manao tsinontsinona antsika vahoaka ny fitondrana nanao izany. Efa nahafaty olona teto amin’ny  kianjan’ny 13 mey  nefa mbola soniavina  ihany.  Te hanao fifidianana an-terisetra ry zareo. Tsy ekentsika izany”, hoy izy.

Momba ny fanelanelana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena  kosa, mazava ny hevitr’ireo depiote ho an’ny fanovana .  “Tsy mahavaha olana ianareo raha tsy mihaino ny fitakian’ny ety amin’ny kianjan’ny 13 mey. Manahy aza izahay fa mety misy manao kolikoly ny mpanelanelana tonga eto”, hoy  izy.

 Fahatsiarovana ny  13 mey 1972

 Nitohy tamin’ny  fahatsiarovana ny 13 mey 1972 ny hetsika,  omaly. Nisy fametrahana fehezam-boninkazo  nataon’ireo maherifo tamin’izany. Ohatra, ny Me Olalah sy ry Raveloson  Constant… Narahina kabary fijoroana vavolombelona izany ary nampitahaina amin’ny fitakiana sy ny hetsi-bahoaka amin’izao fotoana izao. Nialohavan’ny fotoam-pivavahana nelanelanin’ny hira nataon’ireo mpanakanto ara-pilazantsara izany.
Hitohy anio ny hetsika ka hiainga eny Ambohijatovo ny diabe ho eny amin’ny  kianjan’ny 13 mey.  Miantso ny rehetra  izy  ireo hanamaro  ny vahoaka eny an-kianja mba hamaranana  izao tolona fitakiana ny fialan’ny mpitondra izao.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.