Flash
Préc Suiv

Olana ny tsy fahitana vahaolana

Olana ny tsy fahitana vahaolana


Inona marina no tena vahaolana mahomby sy azo antoka ary maharitra amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Arakaraka ny toerana misy ny tena io, ny zavatra hita amin’izany, ny fomba fijery, ny tombontsoa arovana na iadiana, ny tanjona kendrena… Na izany aza, tokony hisy ihany izay farafahakeliny iombonana sy mampiombona. Eo ny tanindrazana iaraha-manana, ny hoavin’ny taranaka…

Aiza ho aiza? Mbola mampifandroritra na izay lalana hoe mety hahitana vahaolana aza. Eo, ohatra, ny hoe fanelanelan’ny fiombonambe iraisam-pirenena, nampihazakaza ny eo amin’ny fitondrana sy ny mpomba azy. Tsy misy na tsy hita intsony tsinona izay fankatoavan’ny vahoaka ifotony. Tsy eken’ny mpanohitra na ny depiote ho an’ny fanovana ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan’ny samy Malagasy.

Aiza ho aiza àry ity hoe « ady gasy »? Na ny raharahan’ny samy Malagasy… Tsipahin’ny    depiote ho an’ny fanovana ny fifampidinihana amin’ny tana-mihosin-dra, mpanao kolikoly… Fepetra tsy azo ivalozana aloha ny fitakiana ny fialan’ny filoha. Hahomby sy azo antoka ve ny hoe fitadiavana marimaritra iraisana amin’izany? Eo amin’ny raharahan’ny samy mpanao politika indray izay: fifanarahana politika…

Amin’izany no hivoahan’ny fifidianana araka ny lalàmpanorenana na mialoha ny fotoana? Governemanta iombonana hikarakara izany, na eo aza ny Ceni. Mba tsy hianjerana amin’ny fampiasana fahefam-panjakana amin’ny famoretana olom-panjakana hampifidy sy hifidy kandidàm-panjakana, ohatra, na hanao hosoka sy hala-bato… Tsy inona fa tsy fifampitokisana no antony, fifampiandrasana kendry tohina.

Inona àry no vahaolana amin’ny tsy fifampitokisana? Fampiharan-dalàna, fametraham-pialana, fifanatrehana amin’ny fampihavanana, famerenana amin’ny vahoaka ny fahefana na ny fanaovana fifidianana… Eo ny raharaha, fa olana ny tsy fahitana vahaolana. Na ny olona no olana, na ny rafitra, na ny… Fiaraha-mitady vahaolana? Na fifanenjanan-dava fa tsy misy manaiky ho diso… Mandra-pahoviana?         

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.