Flash
Préc Suiv

Filatsahan’ny Fanahy Masina

Filatsahan’ny Fanahy Masina

Hanao ahoana ihany ny hiafaran’ity krizy politika ity ? Mitobaka tsy misy farany ny fanehoan-kevitra, ny tolo-kevitra etsy sy eroa, na avy amin’ny eto an-toerana izany, na avy amin’ireo mpanelanelana vahiny nanao be fihavy tao anatin’ny andro vitsivitsy izay. “Tsy misy tsy voavahan’ny fifampidinihana”. “Tsy maintsy fifidianana ihany no hiafaran’izao”… Ekena, samy marina avokoa izany fa fanontaniana lehibe ny hoe ahoana sy aiza ny lalana hahatongavana amin’izany ?

Fifampidinihana. “Manalasala ihany, toa vozon’akoho”, hoy ny fitenenana, atao ho ratsy, mitondra ny lohany; atao ho tsara, taolana fotsiny. Mazava loatra mantsy fa samy hiady mafy hametraka izay metimety aminy ny andaniny sy ny ankilany. Ireto andaniny sy ankilany ireto ihany koa anefa, samy milaza fa ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena izany. Dia ahoana ? Hisy firosoana ihany sa hikatso ka ho maty an-karanany eo ity hoe fifampidinihana ity ? Ho hita eo.

Fifidianana. Marina izany, fa na rahoviana na rahoviana hitsaharan’ny fifanandrinana, tsy maintsy hisy ny fifidianana. Na ho fifidianana mialoha ny fotoana, ny 29 aogositra izao, na ho fifidianana mandeha araka ny tokony ho izy, ny 28 novambra, amin’ity taona ity ihany (raha tsy nisy izao krizy politika izao). Na koa, hahemotra tsotra izao ho amin’ny taona ho avy rehefa sady tsy iry voalohany no tsy ity faharoa. Samy voafaritry ny lalàmpanorenana avokoa ireo, araka ny nambaran’ny Ceni, omaly.

Miankina amin’ny fifanarahana na fanapahan-kevitra iraisan’ny rehetra anefa ny hahatanteraka izany. Dia io fa miverina amin’iretsy olana voalaza etsy ambony indray ny raharaha. Tena krizy tokoa ity rey olona. Taolana ! Raha tsy hoe hiandry ny filatsahan’ny Fanahy Masina, amin’ny Pentekosta ho avy izao angaha.

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.