Flash
Préc Suiv

Analavory : jiolahy iray nahatrarana basy

 Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Analavory (Itasy) tao amin’ny fokontany Tsanganolo, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra, ny herinandro teo ny jiolahy iray, 28 taona nahiahina ho mpanao fanafihana mitam-piadiana amin’iny faritra iny. Nampiahiahy ny fihetsiny ka niroso tamin’ny fisavana azy ireo zandary nanao fisafoana. Basy lava iray vita gasy, calibre 12 no tratra tany aminy. Nosamborina izy ka notazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ao Analavory. Nogiazan’ny zandary kosa ilay basy tratra teny aminy. Nandritra ny famotoran’ny zandary, fantatra fa monina ao Ankazondrano, fokontany Andranovelona, kaominina ambanivohitr’Andolofotsy Miarinarivo izy.

Nanamafy hatrany ny zandary ao Analavory fa ao anatin’ny hetsika famongorana ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana izy ireo ary misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’izy ireo sy ny mponina. Teo am-pikononkononana fanafihana izy tamin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao voaray. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary momba ity jiolahy ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.