Flash
Préc Suiv

Basikety – «N1B Lehilahy» : nanampy ireo ekipa 19 ny faritra Analamanga

Basikety – «N1B Lehilahy»  : nanampy ireo ekipa 19 ny faritra Analamanga

Miditra amin’ny andro fahadimy  ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety sokajy “N1B” lehilahy. Fihaonana, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Manoloana ity fifaninanam-pirenena ity, nitondra fanampiana sy fanohanana ireo ekipa 19 mandray anjara amin’izany ny faritra Analamanga, notarihin’ny filohany, Rakotonanahary Ndranto, niaraka tamin’ny filohan’ny basikety ligin’Analamanga. Araka izany, notolorana lelavola hividianana vary hohanin’ny mpilalao mandritra ity fihaonana ity izy ireo. Notanterahina ny asabotsy lasa teo, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, izany.

Nambaran’i Ndranto fa olona mpisehatra ao anatin’ny basikety ny tenany ary mahatsapa ny lanjan’izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany ka nahatonga azy sy ny ligin’Analamanga nanome izao fanampiana izao. Nidera sy nisaotra ny fihetsika nataon’ny faritra Analamanga sy ny ligy ny solontenan’ireo ekipa, mifaninana ary nampanantena fa hanome endrika tsara izany lalao izany.

Torcelin

Ireo voka-dalao, omaly talata :

Sokajy “A”: DTSC Analamanga (104) – (45) Team BB Betsiboka
Sokajy “B”: USBA Alaotra Mangoro (73) – (83) CBBU Vakinankaratra

Sokajy “C”: AS Chicago Diana (54) – (68) BCO Boeny
Sokajy “C”: SBC Vakinankaratra (84) – (67) NGB Analamanga

Sokajy “D”: USF Matsiatra Ambony (73) – (83) AS Fanalamanga Alaotra Mangoro)

Les commentaires sont fermées.