Flash
Préc Suiv

Tapaka ny « remorque » : olona iray maty, miaramila roa naratra

Nisehoana loza tampoka tany Manambolo, Antsampanimahazo, kaominina Fihaonana Tsiaronoamandidy, ny alakamisy teo tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Traktera iray nitarika “remorque” ity namoa-doza ity. Niala tampoka mantsy ilay “remorque” noho ny fahatapahan’ny fitarihana ka nampivadika azy io. Fiakarana rahateo ny lalana. Vokatr’izay, olona iray maty, ary mbola nisy miaramila roa naratra, niampy ny vehivavy roa zanaky ny maty. Nalefa any amin’ny hopitaly Bongolova ireo naratra. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana momba ity tranga ity. Mandeha ny famotorana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.