Flash
Préc Suiv

Folaka ihany ny anao ô !

Folaka ihany ny anao ô !

Jadona sy fanampenam-bava. Izay ny nitondran’ireo mpitarika ny HVM nandritra ny efa-taona. Raha vao misy mikasa hamory vahoaka, tsy mahazo alalana na ravan’ny hery famoretana amin’ny fomba rehetra. Feno anefa ny kapoaka, ny asabotsy lasa teo, nitroatra ny vahoaka. Vokany, tsy hanaraka baiko tsy mifanaraka amin’ny asany intsony ny tafika, zandary ary polisy. Toy ireny fanakanana an-dRajoelina Andry tsy ho any Mahajanga sy ny nanaovana antsonjay an-dRavalomanana Marc tany Toliara, Ambovombe sy Ambalavao ireny. Ny lehiben’ny faritra sy distrika ary ny préfets mbola minia hanao izany ho hitan’ny havany eo. Ny fiaramanidin’ny filoha rahateo tsy mahazaka firy rehefa ho tonga ny farany. Tsaroana eto ny nanjo ny governora Lahady Samuel ny taona 2002. Nafana fo ery tamin’ny fanaovna barazy tao Brickaville ka rehefa hitsoaka ny amiraly Ratsiraka Didier, tavela ny lehilahy. Ka iny fa lasa nirenireny tany anaty ala tany. Tsy mbola mahay maka lesona ihany ny mpitondra fa vao mainka manao teny anavona. Tsy mahalala afa-tsy fanonganam-panjakana sy fanakorontanana rehefa mba mitaky ny rariny ny rehetra. Sahy milaza fa manana ny maro anisa nefa zara raha nahazo vato 1,5 tapitrisa ny taona 2013. Tsy nanana na solombavam-bahoaka iray aza nefa namorona olom-boavidy. Ny kolikoly no natao filamatra. Tsy tokony hikosimaso ny Bianco satria efa maneran-tany ny ady atao amin’izany. Any Brésil, Arménie, Afrika Atsimo, Zimbabwe, tsy afa-maina ireo filoha teo aloha voasaringotra tamin’ity asa maloto sy mamohehatra ity. Ny eto toa ny resy indray no midingin-drambo. Ampy tokoa izay ny fiheverana fa vendrana ny vahoaka malagasy. Avy aiza ohatra ny volabe nananganana haino aman-jery sy gazety mankalaza ny filoha sy ny forongony? Maro ireo mpandraharaha  tsy mazava mialokaloka ao amin’ny HVM. Inona indray izany ny hataon’ny mpitondra? “Ny fifidianana ihany no hakana fanjakana”, hoy izy. Ny daty hanaovana azy aza anefa tsy fantatra hatreto! “Folaka ihany ny anao ô”!, hoy ilay mpihira iray izay.

Vonjy Andrianjaka

 

Les commentaires sont fermées.