Flash
Préc Suiv

Samis Esic : nivoaka ny andiany « Fahasoavana »

Samis Esic  : nivoaka ny andiany « Fahasoavana »

Notanterahina tao amin’ny Kolejy Md Misely Amparibe ny Sorona Masina ho fiderana an’Andriamanitra sy fankalazana ny famoahana ny andiany « Fahasoavana » tao amin’ny Sekoly ambony momba ny ita sy ny serasera (Samis Esic), ny asabotsy teo. Teo ambany fitarihan’ny coordinateur de l’education supérieure (U-Magis), ny Rev. Père Rehama Jacques Mananto, S.J. izany ary teo ambany fiahian’ny supérieur provincial de la compagnie de Jésus à Madagascar, ny Rev. Père Ratsimbazafy Fulgence, SJ. Miisa 120 ireo mpianatra navoaka tao amin’ity sekoly ambony ity, tao anatina sampam-piofanana momba ny serasera sy teknika. Mari-pahaizana licence sy Master II ny azon’ireto andiany faha-12 nisalotra ny anarana hoe « Fahasoavana » ireto. Ny talen’ny tahirim-bolam-panjakana teo aloha, Robimanana Orlando kosa no ray mpiahy ireto andiany « Fahasoavana » ireto izay nanipika manokana ny mahazava-dehibe ny fisian’ny sekoly ambony mamolavola mpianatra hitondra ity firenena ity rahampitso. Efa maro ireo mpianatra novolavolain’ny Samis Esic sy nandranto fahalalana tao amin’ny sekoly. Hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany ireo mpianatra nahazo mari-pahaizana tao amin’ity sekoly ambony ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.