Flash
Préc Suiv

Minisitry ny fiarovam-pirenena : “tsy hatao fitaovana politika ny miaramila”

Minisitry ny fiarovam-pirenena : “tsy hatao fitaovana politika ny miaramila”

Milaza fa tsy hatao fitaovana politika ny miaramila. Tsy ekena kosa anefa ny fahefana azo ivelan’ny fifidianana…

Nanao fanambarana miaraka ny avy amin’ny minisitry nyFfiarovam-pirenena, ny minisitry ny Filaminana anatiny ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, omaly teny Ampahibe. « Manao antso avo ho an’ ireo mpanao politika mba hahay hifampiresaka sy hifanatona hitady vahaolana politika entina hamahana ny olana politika fa tsy fitarihana korontana sanatria. Ny mpitandro filaminana ihany koa, tsy hanaiky mihitsy rafi-pitondrana ivelan’ ny fifidianana », hoy hatrany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier. Voalaza fa firaisam-peon’ny telo tonta io fanambarana io. Nohamafisin’izy ireo fa miaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana fa tsy fitaovana politika, araka ny voizin’ny sasany akory.

Vokatr’ity fanambarana ity, araka izany, no heverina fa nampiala moramora ireo mpitandro filaminana teny Analakely, ary namela ireo mpanao fihetsiketsehana niditra malalaka teny. Tsy niala lavitra anefa ireo fa teny amin’ny manodidina ihany. “Mety hisy ny mpanararaotra manoloana ny raharaham-pirenena ka manao ny asany ny mpitandro filaminana”, hoy izy ireo.

Tsy hisy intsony ny ra latsaka?

Raha izao tranga izao, tsy hisy intsony ny fifandonan’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka. Tsy ho fitaovana politika ny mpitandro filaminana ka ho hita eo ny tohiny. Tsy hisy ny ra latsaka, vokatry ny tifitr’izy ireo. Voasoketa ary voaenjika hatrany mantsy ireo rehefa misy ny zava-mitranga toy ireny fahafatesana olona ireny. Tsy mahagaga raha tsy hatokisan’ny olona intsony izy ireo. Manomboka izao, asa raha hiova izay fomba fijery izay.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.