Flash
Préc Suiv

Mpanao gazety : tsy voaaro amin’ny fanatanterahana ny asany

Nitaraina ny mpanao gazety nanao ny asany teny Analakely ny asabotsy, noho ny fihetsika nataona kapiteny iray teny an-toerana. Notorahiny ny grenady mandatsa-dranomaso ireo mpanao gazety maromaro nanao ny asany. Kofona mihitsy ireo, nisy mpanao gazety vehivavy iray torana, ny iray hafa naratra nipitihan’ny potika grenady.

Araka ny lalàna, ny mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany, ary natao hiaro ny mpanao gazety amin’ny asany rehefa tranga toy ny sabotsy teo iny, fa tsy natao hamono azy. Na ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa, tsy afaka ny handratra na hamono ny mpanao gazety. Mpilaza vaovao ny mpanao gazety, ary mitondra ny hetahetan’ny olona sy milaza ny zava-misy marina.

Les commentaires sont fermées.