Flash
Préc Suiv

Maibahoaka Ivato : sinoa iray voatafika tao an-tranony

Nitrangana fanafihana sinoa teny Maibahoaka Ivato, ny alin’ny 17 hifoha 18 avrily lasa teo. Tafiditra tao amin’ny trano fonenan’ity mpandraharah sinoa ity ny jiolahy nirongo basy tsy fantatra isa. Nandrahona sy nitaky ny vola tany aminy. Narahina herisetra sy fandratrana izany ka naratra mafy ilay Sinoa. Voatery naiditra hopitaly mihitsy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 200 tapitrisa Ar. Tao anatin’ny fotoana fohy ny nisehoan’izany rehetra izany.

Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, saingy tsy hita intsony ireo jiolahy. Mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao. Anisan’ny toerana be teratany vahiny monina amin’iny faritra Ivato sy ny manodidina iny ka mahasarika ny jiolahy. Azo heverina fa efa nisy ny vaovao azon’ireo olon-dratsy momba ny volabe tao amin’ilay Sinoa ka izay ny antony nanafihan’izy ireo azy. Mandeha ny famotorana momba ity raharaha ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.