Flash
Préc Suiv

Aoka izay! Ampy izay! Inona indray… ?

Aoka izay! Ampy izay! Inona indray… ?

Hirahiraina sy mampievotrevotra ny sasany indray tato ho ato ny hoe aoka izay, hono, ny fampisarahana, ny fampiadiana, ny fandemen-tsaina… Iza ny inona izao no tena mahatonga izany eto? Kibo mitsara tena ny tsirairay: mila mandini-tena hahalalana ny hafa, na ny fandinihana ny hafa no hahalalana ny tena.

Tsy mba aoka izay ve ny tsy fanarahan-dalàna amin’izao fitantanam-panjakana? Ny fomba fanolorana praiminisitra, ohatra, ny fiovan’ny depiote vondrona politika tsy nahavoafidy azy… Tonga hatramin’ny zavatra sampona tsy fahita eran-tany ny HCC tamin’ny hoe fifanarahana andraikitry ny filoham-pirenena sy ny depiote.

Tsy mba aoka koa ve izay ny fisian’ny tsimatimanota amin’ny fanaovana ny raharaham-pirenena ananan-kavana? Miara-dalana amin’izany ary tsy aoka koa ve izay ny fanaovana kolikoly avo lenta? Izany no tena mampisara-bazana, mampiady, mandemy ny saim-bahoaka… Fanjakan’ny vola sy tsy tan-dalàna tsinona.

Ampy koa izay ny famotehana ny vahoaka amin’ny herim-pamoretana. Potehina avokoa izay mitady hihetsika rehetra fa hoe manakorontana sy manongam-panjakana. Tsy hery fa halemana noho ny tsy fahamarinan-toerana sy tsy fahatokisan-tena: tsy misy vahoaka mpomba sy mpiaro, ka ahina avokoa na ny aloky ny tena aza?

Tsy ampy koa ve izay ny fampanantenana poakaty sy fampandriana adrisa ny vahoaka isan’andro vaky? Hatramin’izay, tsy hita izay vita… Efa hifarana ny fe-potoam-piasana vao hoe hanao an’itsy sy iroa. Maika avokoa ny zava-drehetra, mila fotoana, fa tsy vita indray andro na herintaona ny fampandrosoana.

Tsy efa ampy koa ve izay fiheverana ny vahoaka ho toy ny zazabodo na bado? Hararaotina sy lazaina ho fahendrena ny tsy fihetsehany sy ny fanginany. Nefa ny ataon’ny tena ihany no iaretany sy iforetany. Mandra-pahoviana? Misy fetra ny zava-drehetra. Aoka izay! Ampy izay! Hisy ny fitsaram-bahoaka amin’ny fifidianana?

Tahotra sy fanahiana izany izao fifanenjanana sy fifanenjehana mafanafana ratsy izao amin’ny lalàm-pifidianana, ohatra? Vao mainka raha tena hisy tokoa ny fifidianana… Inona indray? Aoka izay! Ampy izay!

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.