Flash
Préc Suiv

Vohémar : kitozana sokatra tratran’ny polisy

 Kitozana soka-dranomasina milanja 30 kg no tratran’ny polisy tao Miantialaka, distrikan’i Vohémar, ny talata teo. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy tamin’ireo mpandeha taksiborosy ao amin’ny sakana ao Miantialaka, kaominina Ampondra no nahitana ireto kitozana soka-dranomasina ireto natao tanaty harona lehibe roa. Nitsoaka avy hatrany koa ilay lehilahy nitondra ireo harona nisy kitoza ireo. Araka ny fanazavan’ny polisy, nahazo loharanom-baovao mialoha izy ireo momba ny fisian’ity lehilahy ity mitondra ireo henan-tsokatra ity ka nandrasana fotsiny ny nandalovan’ny fiara. Notazonin’ny polisy avy hatrany ilay henan-tsokatra. Eo am-pikarohana ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ity trafikana henan-tsokatra ity ny polisy. Hentitra ny ny polisy any an-toerana amin’ny fisavana ireo olona mifamezivezy ao amin’ny distrikan’i Vohémar. Tsy mbola fantatra mazava koa ny toerana nisamborana ilay soka-dranomasina ka niafara tamin’izao kitoza izao. Voararan’ny lalàna ny fihazana ireny soka-dranomasina ireny, saingy misy hatrany ireo olona mihaza itony biby itony.

J.C

Les commentaires sont fermées.