Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Natao tao Manakara, omaly, ny fidinana ifotony voalohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (CFM), izay nanazavana tamin’ireo tompanandraikitra sivily sy miaramila ary ireo raiamandreny ara-drazana any an-toerana ny amin’ny fampihavanam-pirenena sy ny andraikitry ny CFM. Nojerena koa ny olana any amin’ny mponina mba tsy hisian’ny disadisa eo amin’ny fiarahamonina.

 « Fanarenam-pirenena tena izy » ny fihaonambe karakarain’ny Komitin’ny fahamarinana sy ny fandriampahalamena ary ny fiadanana (K 3F), ao amin’ny St Fr. Xavier  Ambatomena, Fianarantsoa, anio sy rahampitso. Asaina amin’izany ny solontenan’ny hery velona tsara sitrapo vonona amin’ny fanarenam-pirenena. Hifanakalozan-kevitra izay ho vahaolana amin’izao mahazo ny firenena sy vahoaka izao.

 

Les commentaires sont fermées.