Flash
Préc Suiv

CIRGN : tontosa ny famindram-pahefana

CIRGN  : tontosa ny famindram-pahefana

 Tontosa?  omaly tamin’ny  5 ora hariva? ny fifamindrana asa teo amin’ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, kaomandy ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo sy ny jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara, izay vao voatendry hisahana izany andraikitra izany. Tamim-pirahalahiana tanteraka ny nanatanterahana izany teo amin’ny roa tonta.

Nilaza ny kaomandy teo aloha fa nisy ny ezaka vita izay tokony mbola hohatsarain’ny mpandimby azy ka tsy tokony hatao raraka an-tany izy ireny. Namaly moa, raha nandray fitenenana, ny jeneraly Rakotondrakaza Andriatsarafara, fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fanohizana izay efa tsara nentin’ny teo aloha ka hitondra ihany koa ny anjara birikiny amin’ny fanatanterahana ny asa manandrify ny fari-piadidian’Antananarivo izay nomena azy nobaikoiny.

Fifampitsofan-drano hahavita be amin’ny andraikitra sahaniny avy no isan’ny tena nanamarika ny firahalahiana taratra tao anatin’io fifamindrana asa natao androany io. Ny lanonana ara-miaramila maro sosona fifamindram-pibaikoana moa, hotanterahina ny 18 avrily maraina eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina ka isan’ny ho atao amin’izany koa ny azy mirahalahy izay vao nanao fifamindran’asa izao.

Nivoaka tao amin’ny andiany faha-18 tao amin’ny Akademia miaramila ny CIRGN vaovao ary  ankoatra ireo fiofanana ambony maro narahiny na teto an-toerana na tany ivelany, tsara ny manamarika fa manana ny “Diplôme du cours supérieur de Commandement” izy, manana ny “licence en droit” ary mbola manohy ny fianarana ambony eny amin’ny ENAM amin’izao fotoana izao”, hoy ny fanazavana.

Yves S.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique