Flash
Préc Suiv

Tsy fanekena ny tatitry ny Depiote Mapar : nirefodrefotra ny grenady lakrimozena tao Toamasina

Tsy fanekena ny tatitry ny Depiote Mapar  : nirefodrefotra ny grenady lakrimozena tao Toamasina

 Tsy nanaiky ny hanaovan’ny depiote Mapar voalaza fa tsy anisan’ny nandray vola tamin’ny fitondrana ny fitondram-panjakana ao Toamasina na teo aza ny fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny Tanàna fa afaka mampiasa ny Dojo Soavita Toamasina izy ireo, ny asabotsy teo

Tsy navela hanao tatitra amin’ny vahoakan’i Toamasina ireo vondron’ny depiote Mapar momba ny raharaham-pirenena sy ny lalàm-pifidianana. Vokany, nirefodrefotra ny grenady lakrimozena, tsy nanaiky hatramin’ny farany nidiran’izy ireo tao amin’ny Dojo Soavita, ny mpitandro filaminana. Nihantsona vao maraina nanao sakana ireo mpitandro filaminana ary nisy fiantraikany tamin’ireo mpianatra katesizy ao amin’ny Ekar St Louis de Montfor izany. Taorian’ny sakana voalohany izay nisian’ny fifandresen-dahatra mafimafy teo amin’ny andany sy ny ankilany, afaka nandroso nanatona ny Dojo ireo solombavambahoaka sy mpanara-dia azy ireo. Voasakana fanindroany teo anoloan’ny Moske indray izy ireo. Nampiaka-peo ny depiote Tody Arnaud fa tsy “aleonareo mpitandro filaminana ve miaraka aminay mandritra ny dimy taona toy izay io enim-bolana sisa ho an’ny HVM io. “Fantatray fa efa tsy mitia io fitondrana io ianareo fa manatanteraka baiko fotsiny”, hoy izy. Niaraka tamin’izay ny fifanosehana ka niaraka nirefodrefotra tamin’izay ny grenady lakrimozena. Voatery nitarika ireo mpanara-dia azy tao amin’ny Le Bateau Ivre ireo vondron’ny depiote Mapar nanatanteraka ny tatitra ka tontosa ihany ny tatitra nataon’izy ireo.

Hofongorina ny dosien-dRatsiraka Elysé…

Re koa nandritra ity fifanjevoana tao Toamasina ny asabotsy teo ity fa singa iray hamongorana ny dosien’ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysé ny fanomezan-dalana ny hanaovana ny famoriam-bahoakan’ny depiote Mapar tamin’ny tranom-panjakana, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Hadinon’ny ben’ny Tanàna angaha fa “mbola miandry azy ange ilay fampiatoana natoan’ny mpanolotsaina azy. Andaniny ireo fitoriana marobe eny amin’ny fitsarana sy Bianco, miandry azy avokoa izany rehetra izany”, hoy ity loharanom-baovao iray ity.

Sajo

Les commentaires sont fermées.