Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lehilahy iray namoy ny ainy raha telo hafa tsy hita popoka. Io ny vokatry ny fihotsahan’ny toeram-pitrandrahana volamena ao Sahalavabe fokontany Bongalava, kaominina ambanivohitr’i Vavatenina, ny zoma teo. Lavaka natao tonelina no nihotsaka ka nifatratra tao amin’ireo niharam-boina. Niantso zandary avy hatrany ireo fokonolona ao an-toerana ka omaly maraina no hita ny fatin’ny iray amin’ireo niharam-boina. Mitohy ny fanadihadiana.

Olona iray naratra nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ambohibao kaominina ambanivohitr’i Bongatsara, ny zoma hariva teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola mitentina 1 tapitrisa Ar. Lasa nitsoaka ry zalahy rehefa nahazo izay notadiaviny. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique