Flash
Préc Suiv

Saika handefa ankizy any Arabia Saodita : vehivavy roa tratra niaraka tamin’ny pasipaoro hosoka

Saika handefa ankizy any Arabia Saodita  : vehivavy roa tratra niaraka tamin’ny pasipaoro hosoka

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Service des enquêtes spécialisées teny amin’ny faritra Anosy, ny zoma 13 avrily 2018 lasa teo ireo vehivavy roa voarohirohy amin’ny resaka fanamboarana pasipaoro sandoka. Nanamboatra pasipaoro hosoka saika handefasana ankizy any Arabia Saodita izy roa vavy ireto. Araka ny fanazavan’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy vehivavy roa mihaodihaody miaraka amin’ny ankizy maromaro eny Anosy hanamboatra pasipaoro hoentina ho any Arabia Saodita. Nidina teny amin’ny toerana voatondro ny polisy ka tratra teo tokoa izy roa vavy niaraka tamin’ny ankizy. Nitohy hatrany  ny fanadihadiana nataon’ny polisy ka taorian’izay no nahalalana fa mbola misy ramatoa sy lehilahy iray miray tendro amin’izy ireo. Efa fanta-daza sy nokarohina hatry ny ela momba io fandefasana ankizy any Arabia Saodita ity vehivavy lehibe ity. Nidina avy hatrany teny Anosibe toerana nahitana azy ny polisy. Raikitra ny fisamborana ity olon-dratsy ity, saingy niezaka nitsoaka sy nanary telefaonina finday izy kanefa noraisim-potsiny. Niaiky ny heloka vitany ireto voarohirohy ireto nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.