Flash
Préc Suiv

Rugby – «Mada D1 Rezionaly» : resin’ny ASCB ny ASA

Rugby – «Mada D1 Rezionaly»  : resin’ny ASCB ny ASA

Nanomboka, ny asabotsy lasa teo teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, sokajy D1 rezionaly. Nisongadina ny fandresena azon’ny ASCB Besarety ny ASA Ambohimanarina, tamin’ny isa 11 no ho 9. Niady ny fihaonan’ny roa tonta, ary tany amin’ny fotoana farany vao tafavoaka ho mpandresy, ry zareo Besarety. Ankoatra izay, nomontsanin’ny FTA Andavamamba, tamin’ny isa mavesatra, 79 no ho 13, ny ekipan’i Betsiboka. Ireo ekipa ireo izay samy ao amin’ny sokajy “A” avokoa. Ho an’ny sokajy “B”, resin’Atsinanana, tamin’ny isa 12 no ho 8, Alaotra-Mangoro. Tombony ho an’Antsinanana ny traikefa sy ny fahazaran-dalao.

I Boeny indray, nanilika an’Amoron’i Mania, tamin’ny isa mazava 68 no ho 13. Niavaka ihany koa ny hakingan’ny mpilalaon’ny faritra andrefana, izay mailaka sy haingam-pandeha.

Hitohy, anio, ny fifanintsanana ka hiaka-tsehatra ny sokajy “junior” izay hisy lalao roa. Fihaonana efatra kosa ho an’ny D1 rezionaly.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.