Flash
Préc Suiv

Lalàm-pifidianana : manamafy ny fitsipahany ireo depiote mpanohitra

Lalàm-pifidianana    : manamafy ny fitsipahany ireo depiote mpanohitra

Resabe hatrany ny amin ’ny lalàm-pifidianana… amboletra. Manamafy ny fitsipahany ireo depiote mpanohitra.

 Ny tsy maha ara-dalàna ny fomba nandaniana ny lalàm-pifidianana, ny votoatin’izany lalàm-pifidianana izany tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Ireo no novelabelarin’ireo depiote mpanohitra, ahitana ny Tim, ny Mapar, ny antoko MMM, ary ny tsy miankina, teny Andrainarivo, ny faran’ny herinandro teo, ary nalefa tamin’ny televiziona telo tonta, afakomaly.

Nasehon’izy ireo tamanizya karazana tatitra izay ny fitsipahana hatrany ny lalàm-pifidianana, na nolanin’ny Antenimierandoholona, ny 10 avrily, aza. Tsy vitan’izay, efa an-dalana ny fanolorana azy eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Andrasana ny fankatoavany izany na tsia, na ny famerenana azy hodinihin’ny parlemanta indray.

N aizany aza, efa nisy ny taratasy fiandry napetrak’izy ireo eny amin’ny HCC, ny 5 avrily, ny amin’ny fomba nandaniana azy sy ny votoatiny tsy mifaraka amin’ny lalàmpanorenana . Tsy eken’izy ireo hatramin’ny farany ny hampiharana io lalàm-pifidianana amboletra io, ahina hampiteraka korontana, araka ny resaka mandeha rahateo, fa tsy vitan’ny hoe manilika kandidà, manome tombondahiny ny kandidàm-panjakana…

Hanao tatitra miaraka ireo depiote mpanohitra

 Hiaraka hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo ireo depiote mpanohitra, ny 21 avrily ho avy izao. Efa nahazoan-dalana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izany. Mandra-piandry ny fanapahan-kevitry ny HCC, mitohy sy mihamafy ny fanoherana ny lalàm-pifidianana io. Izay ve no mety ho efa hoe korontana mialoha ny fifidianana?

Eo koa ny amin’izay vokatry ny fanadihadian’ny Bianco: misy kolikoly sa tsia ny nandanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana io lalam-pifidianana amboletra sy mampiady io? Raha voaporofo fa misy izany, tsy ho vita ho azy amin’izao ny raharaha. Raha tsy misy izany, nilaza hitory ireo depiote mpomba ny fitondrana… tsy hampilamina koa.

R. Nd.

Nandeha ihany ny Canal +

Kisendrasendra? Tapaka ny Canal + ny tontolon’ny andro, afakomaly. Niteraka resabe… Tonga hatramin’ny hoe noho io fandaharana momba ny lalàm-pifidianana nataon’ireo depiote mpanohitra io izany. Lafiny teknika anefa no antony, araka ny fanazavana azo. Niverina ihany ny televizona Canal + ny alina, na somary tratra aoriana kely aza ny fandaharana.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique